Who we are

FAPBM is a Private Foundation under Malagasy law which constitutes an innovative mechanism for financing protected areas in Madagascar. Indeed, the Foundation is endowed with a capital invested in international markets.

Only the returns from the investments are spent to finance protected areas in Madagascar. This means that the capital remains intact over time, which ensures the sustainability of funding for biodiversity. After 15 years of existence, the mechanism is proving to be central because it is the only one capable of ensuring sustainable and predictable financing for protected areas.

Learn more about FAPBM

Key figures

fapbm

99.32%

Maintained forests
LEMURIEN - Fapbm

500+

Species protected
fapbm

6+

Million hectares preserved
fapbm

75

Protected areas (PA) funded
fapbm

157

Million of capital (USD)
fapbm

2.94/5

Biological integrity index
fapbm

5.5

Million in funding granted (USD)

Protected Areas Supported

25 July 2024

Media #ForProtectedAreas : Launch of the second edition

Read the article
9 July 2024

FAPBM strengthens donor confidence in Madagascar’s biodiversity conservation

Read the article
29 May 2024

Call for ‘Art and Biodiversity’ cultural projects: Here we go for a third edition!

Read the article
🌍 Miantoka ny ho avintsika ny fanamafisana ny fiarovana ny faritra arovana eto amintsika 🌿🌿 Amin’izao ankatoky ny Kongresy maneran-tany IUCN (ny 09 hatramin’ny 15 Octobre izay hatao any Abu Dhabi), dia nifanakalo hevitra tamin’ny FAPBM sy Conservation Allies ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Andriamatoa Max Andonirina FONTAINE, mba hanomanana miaraka izany hetsika manandanja izany. Teboka maromaro no noresahan’izy ireo nandritran’ny fihaonana :📘 Ny fanavaozana ny boky “Madagascar Protected Area Outlook” izay hampafantarin’ny delegasiona malagasy mankany Abu Dhabi amin’io fotoana io. Raha tsiahivina, ity fitaovana stratejika ity dia mamakafaka ny fivoaran'ny rakotry ny ala any amin'ny faritra arovana nandritra ny 20 taona lasa ary manolotra fanasokajiana mifototra amin'ny loza mitatao mety hitarika ny fahasimban’ny ala. Ity boky ity dia hampiasaina hitarihana ny fanapahan-kevitra momba ny laharam-pahamehana sy ny famatsiam-bola ireo faritra arovana.⚖️ Nohamafisin’ny Minisitra ihany koa ny maha zava-dehibe ny fampiharana ny lalàna amin’ny fiarovana ny faritra arovana sy ny karazan-javamanan’aina eto Madagasikara. Nandroso soso-kevitra mazava ny FAPBM noho izany : fanofanana sy fifanakalozana traikefa amin’ny DREDD, fanamafisana ny fiadiavana amin’ny afo ary brigades mixtes.🛰️ Niteraka vina ho an’ny ho avy ny fifanakalozana : ny fametrahana foibe fanaraha-maso ara-potoana ny faritra arovana. Liana ary maniry handinika izany miaraka amin’ny Ministera iandreketrany ny Minisitra, mba hanamafisana ny fiambenana sy ny fandraisana andraikitra haingana kokoa manoloana ny loza mitatao amin’ny vakoka voajanahary eto amintsika.🔍 Andao hiaraka hanangana ho avy maharitra ho an’ny faritra arovana, izay tena loharanon’aina ho antsika.#Madagascar #AiresProtégées #Biodiversité #ProtectedArea #Biodiversity #SustainableFund #Conservation #Sustainablefinancing #CommunityledConservation #IUCN ... Voir plusVoir moins
Voir sur Facebook
🌍 Voaaro tsara ny baobab any Andrefana noho ny fanohanan’ny Hempel Foundation.🌳 Ny 24 sy 25 Aogositra lasa teo dia nivahiny tany Morondava ny delegasiona avy amin’ny Hempel Foundation mba hijery mivantana ny fandrosoan’ny tetik’asa lehibe iray izay tohanany : ny fiarovana ny lohasahan’ny Baobab any Andrefan’i Madagasikara.✨ Ity tetik’asa ity, izay vatsian’izy ireo vola mitentina 15 tapitrisa DKK (manodidina ny 2,17 tapitrisa dolara), dia misahana 381.000 ektara izay ahitana faritra arovana lehibe efatra : Andranomena, Kirindy Mitea, Menabe Antimena ary ny Allée des Baobabs.👉 Tany an-toerana dia nitafa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka tany ifotony ny delegasiona – notarihin’i Leif Jensen (Filoha), Richard Sand (Filoha Lefitra), Anders Holm (Tale mpanatanteraka) ary David Emmett (Tale mpiandraikitra ny kazavamananaina) – ary nidera ny fiaraha-miasan’ny FAPBM sy ireo fikambanan’ny mpitantanana faritra arovana ao anatin’ity tetik’asa ity (Madagascar National Parks , Fanamby , Durrell Madagascar )🌱 Tsy nijery ny fandrosoan’ny tetik’asa fotsiny anefa ny anton’ity fitsidihana ity fa nanokatra fiaraha-miasa vaovao hanatsarana ny ho avin’ity lohasaha anisan’ny tena miavaka eto Madagasikara sy maneran-tany. 🙏 Manantitra ny fisaorana amin’ny Hempel Foundation ny FAPBM noho ny fahatokisany sy ny fahavononany hiasa ho an’ny faritra arovana sy ny karazan-javamanan’aina malagasy, izay lova ho an’ny taranaka ho avy.#20Ans #Madagascar #AiresProtégées #Biodiversité #ProtectedArea #Biodiversity #SustainableFund #Conservation #Sustainablefinancing #CommunityledConservation ... Voir plusVoir moins
Voir sur Facebook
🌿 Manitatra ny faritra arovana an-dranomasiny i Madagasikara 🌊 Ao anatin’ny tetikasa GEF6-AMPs, vatsian’ny Global Environment Facility (GEF) vola, nosoniavina omaly ny fifanarahana famatsiam-bola teo amin’ny tetikasa GEF6 – AMP, ny Wildlife Conservation Society sy ny FAPBM, tao amin’ny foiben’ny Direction Générale de la Gouvernance environnemental eny Nanisana. Nanome voninahitra izany fifanaovan-tsonia izany Andriamatoa Max Andonirina Fontaine , Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD). 🌳Ny tanjon’ity fifanarahana ity dia ny hanohana ara-bola ny famoronana faritra arovana an-dranomasina vaovao telo (3), izay mahatratra 1,5 tapitrisa Ha ny fitambaran’ny velarany. Ity hetsika ity dia fanatanterahana ny fampanantenana nataon’i Madagasikara tamin’ny taona 2014, nandritran’ny Kongresy maneran-tany momban’ny valan-javaboaary tany Sydney, hampitombo telo avo heny ny velaran’ny faritra arovana an-dranomasiny.Toerana telo, izay nofaritana ho toeram-ponenan'ny karazam-biby tandindomin-doza, araka izany, no nofidina noho ny maha zava-dehibe ny tontolo iainana ao aminy : 🔹 Atimo Vata’e (772 199 ha) any amin’ny faritra Androy ;🔹 Baie d’Antongil (431 388 ha) any amin’ny faritra Analanjirofo ;🔹 Tandavandriva Nosy-Be (329 700 ha) any amin’ny faritra Diana 🤝 Faly ny FAPBM mandray anjara amin’ity dingana lehibe ity ho fiarovana ny Faritra arovana an-dranomasina sy ny zava-manan’aina Malagasy, izay tena harena voajanahary sy loharanon’aina ho hampitaina amin’ny taranaka ho avy.#20Ans #Madagascar #AiresProtégées #Biodiversité #ProtectedArea #Biodiversity #SustainableFund #Conservation #Sustainablefinancing #CommunityledConservation ... Voir plusVoir moins
Voir sur Facebook
💧🎨🌳 Ny volana Aogositra dia volana nahitana hetsika mivaingana sy feno fifampizarana fahaiza-mamorona ho fikolokoloina ny faritra arovana eto amintsika.✨ Fotoana lehibe telo no tsara tsiahivina : 🔹Fanamafisana ny ady amin’ny afo : ny nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fitoeran-drano ho an’ny Madagascar National Parks mba hiarovana mafimafy kokoa ny alantsika sy karazan-javamanan’aina eto aminstika amin’ny tsindry afo. 🔹 Kanto sy karazan-javamanan’aina 2025 : fihaonana tamin’ny mpandresin’ny andiany fahaefatra : fotoam-pifanakalozana miavaka niarahana tamin’ny mpahay zavakanto be aingam-panahy mba ampatsiahy antsika ny fifandraisana miavaka eo amintsika sy ny natiora. 🔹Fianohana any Ankarafantsika : niaina zavatra miavaka tany anatin’ny valan-javaboaary nasionaly Ankarafantsika ireo mpandresin’ny fifaninanana “Kanto sy karazan-javamanan’aina” mba hitady aingam-panahy ahafahana mampita hafatra lehibe hoe : ny faritra arovana eto amintsika dia loharanon’aina ho lova ho an’ny taranaka ho avy. 🙏 Ary ianareo? Inona amin’ireo hetsika niseho tamin’ny volana Aogositra ireo no nanamarika anareo indrindra? 🌿#20Ans #Madagascar #AiresProtégées #Biodiversité #ProtectedArea #Biodiversity #SustainableFund #Conservation #fondationPourLaBiodiversité #Sustainablefinancing #CommunityledConservation ... Voir plusVoir moins
Voir sur Facebook

Proud to be a member of :